ActualitésTatitra

Kenya : Sabina Chebichi, vehivavy nahavita marathon tsy nanao kiraro

Teraka ny 13 jona 1959 tao Comté de Trans-Nzoia i Sabina Chebichi. Vehivavy voalohany nandrobaka ny « Jeux du Commonwealth » taranja atletisma izy tamin’ny taona 1973. Niavaka io fandresen’i Sabina Chebichi io, tsy nanao kiraro ary nanao raoby izy nandritra ny fifaninana ka nomena ny anaram-bositra hoe « jupon princesse ».

Tsy nataon’i Sabina Chebichi sakana tsy nahatratrana ny nofinofiny mihitsy ny tsy fahampian’ny nenti-manany. Nahavita ny 800 m tao anatin’ny 2 minitra sy 16 segondra ary ny 1500m tao anatin’ny 4 minitra sy 40 segondra i Sabina Chebichi izy nandrittran’ny fifaninana nataony voalohany tamin’ny taona 1972 ka nahavita nisarika ireo manam-pahaizan’ny atletisma. Vetivety ihany izy dia nalaza sy nahazo fanampiana ary nandray anjara tamin’ny fifaninana maro hafa.

Laisser un commentaire