ActualitésTsidika

Betafo : Zazavavy 7 taona naolan-draikeliny

Zazavavy kely 7 taona indray no lasibatry ny fanolanana nataon’ny raikeliny tao Antsinanantsena Betafo. Efa tena tsy misy tahotra intsony hany ka ny zana-bady no hanaparana ny filan-dratsy.

« Taorian’ny fanolanana nihatra tamin’ny ankizy vavy kely vao 6 taona monja nataon’ny ankizy lahy 15 taona teo Amboangivy ny faraparan’ny volana Septambra lasa teo dia nisehoana tranga toy izany indray » hoy ny sefom-pokontany ao Antsinanantsena Betafo. « Efa ela no nanomanan’ity raimpianakaviana 25 taona ity izao fanolanana izao, saingy izao vao tanteraka raha mbola tsy tao an-trano noho ny asa fivelomana ny renin’ilay zaza ka nandritra izany no nanatanterahany ny filan-dratsiny » hoy ny avy eo amin’ny kaomisarian’i Betafo. « Mampalahelo mihitsy ny zava-misy, indraindray misy hadisoana avy aty amintsika ny ray aman-dreny ihany ny toy izao ka mila fanaraha-maso akaiky ny zanantsika » hoy i Zoly, mponina ao Betafo. Nafindra toerana any amin’ny foibem-paritry ny filaminam-bahoaka ao Vakinakaratra ilay raim-pianakviana ho fitandroana ny ainy sy ho fanamorana ny fanoloran aazy eo amin’ny fitsarana.

Miatrika fitsaboana kosa noho ny herisetra ara-nofo nahazo azy kosa ilay ankizivavy.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire