ActualitésTsidika

Tournoi 26 Jona : Mbola ao anatin’ny lalao fifanitsanana ny kaominina Ankadikely Ilafy

Mbola ao anatin’ny lalao fifanintsanana amin’ny fiadiana ny « tournoi 26 Jona » ny kaominina ao Ankadikely Ilafy. Hisy ny lalao ny 21 sy 22 may 2022 izao ao amin’ny Kianjan’ny Fifankatiavana.

« Manasa antsika mpankafy baolina kitra ho tonga maro hatrany. Efa misy ny fandaharan-dalao napetraka mandritra izany » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Ankaidkely Ilafy. « Hisy ny viidm-pidirana ho an’ireo mpijery izay ho entina hanohanana hatrany ny lalao. Aoka samy hanaja hatrany ny ora ireo mpilalao rehetra » hoy ny mpikarakara.

Saika mikarakara lalao baolina kitra avokoa ny kaominina eto Avaradrano. Samy mananao ny fomba hanehoany ny lalao ny kaominina tsirairay raha to aka tournoi 26 Jona ny ao amin’ny kaominina Ankaidkely Ilafy.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire