ActualitésTsidika

Ambohimangakely: Mbola misy hatrany ireo mpivarotra tsy manara-dalàna

Mbola misy hatrany ireo mpivarotra amin’ny sisin-dalana tsy manara-dalàna ao amin’ny kaominina Ambohimangakely. Tsy mitsahatra manao fanentanana entina miady amin’izany ny ao amin’ny kaominina ao an-toerana, indrindra fa ireo manamorona ny lalam-pirenena faharoa, ny fokontany Antanambao, Ambohimangakley ary Ambodivoara.

“Efa nisy hatrany ny fanentanana entina hampandrosoana ny tanàna, ary tsy mitsahatra ny manamafy izany ny avy amin’ny kaominina, ny hanatonan’ireo mpivarotra voakasika eny amin’ireo toerana efa voatokana hivarotana mba hisorohana indrindra ny loza hateraky ny fahateren’ny lalan’ny fiara sy ny fibahanana ny lalan’ny mpandeha tongotra” hoy ireo tomponandraikitra ao amin’ny kaominina.

“Ankoatra ny fanentanana ireo mpivarotra amin’ny sisin-dalana, ireo mpitondra fiara sy miantsona amin’ny sisin-dalana ihany koa no mila jerena. Anjara andraikitry ny polisy kaominaly ny mandray fepetra mahakasika ny fanaraha-maso ireo mpivarotra tsy manara-dalàna sy mibahana ny lalan’ny mpandeha” hoy I Manampy, mponina ao Ambohimangakely.

Anisan’ny mampihena ny lozam-piarakodia sy ny fifamoivoizana isan-karazany ny fanajana ny toerana voatokana ho an’ny mpivarotra sy ny mpamily na ireo izay mampiasa ny arabe. Entanina araka izany ny rehetra mba hahay hifanaja, hisorohana ny loza sy mba ho taratry ny fandrosoana Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire