ActualitésTatitra

Etats-Unis : Olona niavaka ara-batana i Frank Lentini

Teraka ny 18 may 1889 tao Rosolini, Sicile ary maty ny 21 septambra 1966 Jacksonville, Floride i Frank Lentini. Nanana zom-pirenena tao Etats-Unis sy Italie izy ary narantiranty tamin’ny « cirques » maro nohon’ny fahasamihafany ara-batana.

Teraka niaraka tamin’ny tsy fahatomombanana ara-batana na « jumeau parasite » i Frank Lentini. Niraikitra tamin’ny vatany teo am-pototry ny hazondamosiny io « jumeau parasite » ary nanana taolam-balahana iray manokana niaraka tamin’ny fitaovam-pananahana lahy sy tongotra nisy tongotra kely iray hafa teo amin’ny lohalika.

Nanomboka teo amin’ny faha 8 taoanany monja i Frank Lentini dia narantiranty tamin’ny firenena maro. Nandray anjara tamin’ny « spectacle de marionnettes » izy ary nandray anjara tamin’ny « cirques » maro. Nanambady i lehilahy nanana tongotra telo io tamin’ny taona 1907 ary niteraka 4.

Laisser un commentaire