Ambohimanga Rova : Nampandraisana anjara tamin’ny lalao baolina kitra ireo tanora vehivavy
Nisy ny lalao “tournoi foot à 7” izay nokarakarain’ny “Association Mihary” avy amin’ny kaominina Ambohimanga rova ny faran’ny herinandro lasa teo, izay nandraisan’ny lehilahy sy ny vehivavy anjara. Nomena sehatra manokana ireo tanora vehivavy avy ao an-toerana tamin’ity indray mitoraka ity, araka ny voalaza.
“Misaotra ny Association nampilalao ireo tanora vehivavy tety amin’ny tanàna. Tena mahafinaritra mahita tanora tia fanatanjahantena ary anisan’ny mampiray ireo tanora avy amin’ireo faritra samihafa izany” hoy ireo mpikarakara.
“Manosika ny tanoran’ny faritra ho anatin’ny fanatanjahan-tena ny fikarakarana lalao tahaka izao. Ahitana ihany koa ny fahaiza-manaon’ireo tanora vehivavy amin’ny taranja, ka tena mila fanohanana izany mba hahafahany mihoatra lavitra sy mampitombo lenta ao anatin’ny fanatanjahan-tena” hoy I Rajo, mpilalao baolina kitra.
Anisan’ny sehatra tokony ho tohana ny fanatanjahan-tena. Efa maro ireo taranja lalaovin’ny tanora eny anivon’ny fokontany amin’izao fotoana izao. Raha ny lehilahy no tena fantatra teo amin’ny filalaovana baolina kitra hatramin’izay, efa misy ankehitriny ireo tanora vehivavy, maro ary liana amin’ny filalaovana baolina kitra izay tena mila fanohanana tokoa.
Manitra Ramanantsoa
