RN9: nidina 60% ny saran-dalana
Nihena adiny 3 ny faharetan’ny dia mapitohy an’i Toliara sy Bevoay, raha adiny 10 tamin’ny mbola tsy vita ny lalana. Nidina ho 13 000 Ar hatramin’ny 20 000 Ar ny saran-dalana, raha toa ka 30 000 Ar hatramin’ny 35 000 Ar fony mbola lalan-tany. Mahatratra hatramin’ny 62% ny fihenany manoloana izany.
