ActualitésTatitra

Maurice : Karazana homamiadana maro no efa azo tsaboina haingana

Zava-dehibe ny fampiasana ny teknolojia ao Maurice manoloana ny fitomboan’ny trangan’ny homamiadana hoy ny dokotera Teenushka Issarsing. Efa misy ny «radiothérapie» ao amin’ny nosy ary marary 2 ao anatin’ny 35 no sitrana noho izany fitsaboana izany raha ny fanazavany. Marihana fa dingana fahatelo amin’ny fitsaboana homamiadana ny «radiothérapie».

Marary teo anelanelan’ny 25 ka hatramin’ny 89 taona no efa notsaboina tamin’io fitaovana avo lenta Elekta Versa HD io ao amin’ny hopitaly mitsabo homamiadana ao Rose-Belle. Karazana homamiadana maro no afaka sitranin’izany hainga sady mahomby ary sehatra iray ahafahana mampihena ny trangan’homamiadana izany raha ny fanamafisana.

Laisser un commentaire