Etats-Unis : Mety ahazoana 1 200 000 tapitrisa dollars ny varotra amin’ny tambajotra sosialy amin’ny taona 2025
Niakatra ny fampiasana ny tambajotra sosialy tao anatin’ny fotoan’ny valan’aretina. Miroborobo izy eran-tany ary mamokatra 492 000 tapitrisa dollars ny tsenany. Raha ny fanadiadiana Accenture, « Why Shopping’s Set for a Social Revolution » nefa dia vinavaina ho tafiakatra 1 200 000 tapitrisa dollars (4 735 179 600 000 000 Ar) izany amin’ny manditra ny taona 3 ho avy izao.Anisany mampiroborobo izany ny « génération Z » na ireo teraka nanomboka ny taona 2000 sy ny « Millennials » (ireo teraka ny taona 1980 hatramin’ny 2000). Ireo « generation » ireo no mameno ny 62% amin’ny mpampiasa tamba-jotra sosialy. Marihina fa ny lehiben’izany tambajotra izany no tena mahazo tombony amin’io sehatra io.
