ActualitésTsidika

Ankadinandriana : Tontosa ny adina ara-panatanjahantena

Tontosa ny adina ara-panatanjahantena baccalauréat ho an’ireo ao amin’ny ivon-toerana fanalana fanadinana Ankadinandriana. Tao amin’ny Kianja Tany Ankadinandriana no nanatanterahana izany.

« Nizotra tao anaty filaminana ny fiatrehana ny fanadinana ara-panatanjahantena teto Ankadinandriana. Tsy nisy loatra ny olana indrindra teo amin’ireo mpianatra » hoy ny tompon’andraikitra. « Tsy nisy loatra ny olana teo amin’ny fanomanana. Efa tany am-piandohan’ny taom-pianarana tokoa nanomanana ny saina sy ny vatana hiatrika ity fanadinana ity » hoy i Françia, tanora mpanala fanadinana.

Mizotra tsikelikely manaraka ny fandaharana isaky ny ivon-toerana fanalana fanadinana ny adina ara-panatanjahantena. Efa mivonona hatrany ireo ankizy mpianatra.

Toky Randriamanalison

Laisser un commentaire