Etats-Unis : Voadingan’i Grant Holloway amin’ny hazakazaka 60 metatra i Colin Jackson.
Grant Holloway, 23 taona. Izy no amerikana tompon-daka eran-tany tamin’ny hazakazaka 110 metatra tamin’ny taona 2019. Nahavita nihazakazaka 7 segondra 29, latsaka noho ny an’i Colin Jackson ny volana martsa 1994 izy tamin’ity taona ity. Tsy nisy nanampo ity valin’ny hazakazaka nataon’I Holloway ity. Izy arak’izany no mitàna ny dimy amin’ireo fampisehoana valo goavana indrindra eo amin’ny taranja hazakazaka 60 metatra. Tsy ny hazakazaka ihany no manavanana ity mpilalao teratany Chesapeake (Virginie) ity, eo ihany koa ny taranja fitsambikinana avo na ny “saut en hauteur”. 8,16 metatra ny ahavon’ny fitsambikinana vitany amin’izao fotoana. Ny taona 2019 no navoahosotra azy ho tompon-daka eran-tany eo amin’ny sehatrny ny hazakazaka 110 metatra, tamina fe-potoana 12 segondra 98. Efa nisy fifaninana tsy azo natrehan’ny mpinjery ihany koa tao Madrid, izay nandresen’I Holloway an’ilay Britannique Andrew Pozzi teo amin’ny hazakazaka 60 metatra, tamina fe-potoana 7 segondra 51
