ActualitésTsidika

Alasora : Nahazo toeram-pivoahana sy fidiovana vaovao

Nisokatra nanomboka ny 17 desambra lasa teo ny toeram-pidiovana sy toeram-pivoahana ao Alasora. Natokana ho an’ny olona manao raharaha rehetra eny amin’ny « domaine » sy ny « Service topographique » sy ny raharaham-panjakana hafa rehetra any an-toerana izany.

« Tena ny toy izao mihitsy no tsy ampy eto amin’ny kaominintsika. Tsara raha tsy mijanona hatreto ny ezaka tahaka izao » hoy i Sitraka, mponina ao Alasora. « Mitohy hatrany ny ezaka eto amintsika mba hisitrahan’ny rehetra ny fidiovana sy ny fahadiovana. Santatra ihany izao fa ny manetsabe mbola ho avy » hoy ny tompon’andraiki-panjakana any an-toerana. « Tanjonay ny mba hisian’ny fidiovana sy ny fahadiovana eto amin’ny kaominina ka isaorana ireo tompon’andraikitra nametraka hatrany ny fahatokisana ary Alasora mandroso no tena ilaina » hoy ny avy ao amin’ny Fikambanana Kolorano, izay nametrahana ny fitantanana ity toerana vaovao ao Alasora ity.

Tena ilaina tokoa amin’ny toerana tena fivezivezen’ny olona ny toeram-pidiovana sy toeram-pivoahana. Zon’ny tsirairay ny hisitraka izany ary tena tokony hanaovana ezaka lehibe. 

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire