Amboasary Atsimo : Nahazo ny bokin-tany ny mponina
Nisitraka bokin-tany nandritra ny hetsika faobe mikasika izany ireo mpamboly izay efa nanajary ny tany sy namokatra teo an-taona maro, ao Amboasary Atsimo. Nanao fangatahana ny hitompo ny tany mantsy izy ireo talohan’izao fizarana izao.
« Isan’ny toerana tena mamokatra tokoa i Amboasary Atsimo raha tsy hiteny hafa-tsy ny sisale isika » hoy i Henri, manam-pahaizana mikasika ny fambolena sy ny toe-tany. « Efa nanomboka nametraka ny politika hiarovana ny zo hitompo ny tany ny fanjakana ny taona 2020 ary an’arivony ireo fangatahana voaray » hoy ny Fitaleavana foiben’ny fananan-tany. « Tena mety ary miaro anay vahoaka tokoa ny hetsika tahaka izao. Tena atahorana ho lasan’ny mpanam-bola mantsy ny tany rehefa any aoriana » hoy i Volampeno, mponina any Amboasary Atsimo. Marihina fa nisy ny fampiharana ny miralenta nandritra izao hetsika izao. Vehivavy avokoa ny ankamaroan’ny olona misitraka ireo bokin-tany ireo.
Nicole Rafalimananjara
