ActualitésTsidika

Anjeva : Notohizana tao amin’ny EPP Ambatofolaka ny fitsidihana nataon’ny ben’ny tanàna

Ny alarobia lasa teo ny avy ao amin’ny fiadidina ny kaominina Anjeva gara, izay notarihin’ny ben’ny tanàna ao an-toerana no nanatanteraka ny fitsidihana sy ny fitondrana izay voarambin’ny tanàna ho an’ireo mpianatra eny amin’ny EPP. Nandritra izany, ny EPP Ambatofolaka indray no nanaovana ny fitsidahana ary nahazo ny anjarany ihany koa ireo mpianatra.

« Ao anatin’ny ezaka ataon’ny ben’ny tanàna hatrany ny fanatanterahana ny fitsidihana tahaka izao. Tanjona moa ny fanentanana ny ankizy ho tia sy hazoto hianatra, nijerena ihany koa ireo olana misy hahafahana mifanampy amin’ny mpanabe indrindra ny ara-pitaovana » hoy ny  ben’ny tanàna ao an-toerana.

« Isaorana feno ny ben’ny tanàna amin’ny fanomezana lanja ny fampianarana, tsy nanadino ireo ety anivon’ny sekoly ambaratonga fototra. Anisan’ny zava-dehibe ho an’ireo mpianatra, indrindra ny sekoly ny fanohanana tahaka izao ary manampy amin’ny fiezahana isan-karazany » hoy i Mino, mpampianatra.

Nanamarika ny ben’ny tanàna ao an-toerana fa hitohy amin’ny fizarana fitaovam-pianarana ny hetsika manaraka, izay hiarahana amin’ireo mpiara-miombonan’antoka efa miara-miasa amin’ny kaominina. Ny EPP Ambatofolaka Anjeva ity dia misy mpianatra miisa 211, izay misy mpianatra ao amin’ny « préscolaire » miisa 50 ary mpianatry amin’ny « primaire » 161 isa.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire