ActualitésTsidika

Fampianarana : Laharam-pahamehana ny fanarenana ny trano sekoly ravan’ny rivo-doza Freddy

Miisa 1664 ireo trano sekoly simba noho ny rivo-doza Freddy farany teo. Mizara telo mazava tsara io fahasimbana io : miisa 654 ireo toeram-pianarana nahitana fahasimbana, raha 692 no isan’ireo toeram-pianarana simba amin’ny ampahany ary miisa 318 ireo toeram-pianarana rava tanteraka. Araka izany dia nanambara ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena fa tsy maintsy vitaina alohan’ny fidirana amin’ny roa volana fahefatra ny fanarenana ny ao Mananjary.

« Raha i Mananjary irery ihany no jerena dia nitondra takaitra betsaka ny mahakasika ny fampianarana ao an-toerana ka tsy maintsy vitaina alohan’ny fidirna amin’ny roa volana fahaefatra ny simba rehetra. Efa tonga any an-toerana rahateo ny fanitso miisa 580, ny dabilio miisa 288 ary ny « school in box » sy « tarpes tentes » avy amin’ny Unicef ka hanamora ny asa izany rehetra izany », hoy ny avy ao amin’ny Ministera.

« Mbola tsy afaka aminay Ray aman-dReny hatrany ilay fomba fiteny Malagasy manao hoe “ny fianarana no lova tsara indrindra” ka mahafaly anay ny mandre fa laharam-pahamehana ny asa fanarenana ny sekoly ka afaka hiverina hianatra indray ny ankizy. Misaotra ny Minisitra amin’izany ezaka izany », hoy ny solontenan’ireo Ray aman-dRenin’ny mpianatra ao Mananjary.

Raha te hampandroso firenena iray dia tsy azo atao ambanin-javatra ny fampianarana ka izany no tena antony hanarenana farany izay haingana ireto fotodrafitr’asa ireto. Etsy andaniny anefa dia ireo fotodrafitr’asa mihitsy no tokony hatao matanjaka satria ny loza voajanahary dia tsy maintsy misy isan-taona ka tokony efa tsara fiomanana amin’izany ny tsirairay.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire