La Réunion : Nankatoavin’ny tompon’andraikitra ny tetik’asa famoronana fitaterana an-dalamby
Nankatoavin’ny « commission permanente du Conseil Régional » tao La Réunion ny 24 febroary teo ny tetik’asa famoronana tambajotram-pitaterana an-dalamby ao amin’ny nosy. Raha tsiahivina dia natolotra tao amin’ny antenimiera tamin’ny 15 desambra 2022 io tetik’asa io. I Huguette Bello filoham-paritra kosa no namolavola izany.
Anton’io tetik’asa io ny fitohanana maharitra izay hita amin’ny toerana maromaro ao La Réunion toy ny eo amin’ny fidirana atsinanan’i Saint-Denis, ny fizaran-dalana ao Saint-Paul / Le Port / La Possession ary ao Saint-Louis / Saint-Pierre.
