ActualitésTatitra

France : Tovovavy kely iray no niaharan’ny herisetra ara-nofo tao amin’ny toeram-pijerena sarimihetsika iray

Ny herinandro lasa teo tao amin’ny toeram-pijerena sarimihetsika tao Carcassonne, Aude no niseho ity tranga ity. Tovovavy kely iray 10 taona no nandeha nijery ilay horonantsara « Super Mario Bros » niaraka ny fianakaviany tao amin’io toerana io. Nisy lehilahy hafa nipetraka nefa teo akaikin’io zazavavy io ary nanomboka nanao fihetsika mamoafady taminy.

Nisy nahatsikaritra nefa izany ka nosamborina avy hatrany io lehilahy, 48 taona io. Nihaiky heloka avy hatrany izy ary nilaza fa nidivy tapakila telo amin’ny ora samihafa an’io sarimihetsika io hanaovany ny asa ratsiny amin’ireo zazavavy. Rehefa notanana am-ponja vonjimaika nandritra ny 2 andro kosa io lehilahy io dia nahazo fahafahana vonjimaika saingy tsy mahazo miditra ao amin’ny toeram-pijerena sarimihetsika intsony. Tsy maintsy manaraka fitsaboana ara-tsaina kosa izy alohan’ny fitsarana azy raha ny fanazavana.

Laisser un commentaire