Fambolena: Tafapetraka ny laharana maintso hanampiana ny fiadiana amin’ny andiam-balala
Vanim-potoan’ny andiam-balala izao ka araka izany dia napetraka any laharana maitso hanampiana amin’ny ady atao amin’izany. Ny orinasa Airtel sy ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana no niara-nisalahy nametraka izany laharana maitso izany. Azo antsoina maimaim-poana araka izany ny laharana 033 65 111 11 hahafahana mamonjy haingana ireo toerana ahitana izany tranga izany.
“Ny anton’ity fiarah-miasa ity dia hahafahana manafaingana ny famonjena ireo toerana ahitana izany andiam-balala izany mba hahafahana miaro ny fambolena. Anisan’ny olana iray tena mamotika ny fambolena manko ity andiam-balala ity ka tokony handraisana fepetra farany izay haingana vantany vao fantatra ny fisiany. Hampahafantatra ny fisian’ny valala na ihany koa hangataka torohevitra amin’ny ady amin’izy ireny dia azo raisina ao anatin’ity laharana maitso ity avokoa. Tanjona goavana moa no ho tratrarina amin’ity hetsika ity di any fahavitan-tena ara-tsakafo ao anatin’ny velirano faha-sivy”, hoy ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana.
Ny orinasa Airtel no nosafidiana hiaraha-miasa noho izy afaka mandrakotra ny faritra rehetra hatrany amin’ny tontolo ambany vohitra indrindra. Araka izany dia ho mora kokoa ny fifandraisana hahazoana ireo vaovao mahakasika ny andiam-balala. Misy ihany koa ny fiaraha-miasa amin’ny Vondron’Olona Ifotony Miady amin’ny Valala (VOI-MV) isaky ny faritra ka tokony hahafahana manampy amin’izany ady izany.
“Rehefa laharana maitso dia tokony hijanona amin’izay laharana maitso izay fampitana vaovao fa sao manko mandefa ny zava-misy izahay dia tsy rarahiana akory. Mila hampiofanina ihany koa ireo izay handray io laharana maitso io mba afaka hanampy amin’ny torohevitra madinika ilaina mialohan’ny hataongavan’ny fanampiana”, hoy I Eric, mpamboly avy ao Ankazomiriotra.
Miara-misalahy amin’ity tetik’asa ity moa ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana, ny Minisiteran’ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana, ary koa ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena. Ankoatra ity laharana maitso ity dia efa misy ihany koa ny fanomanana ireo angidim-by hanondraka fanafody ireo fambolena any amin’ireo faritra tena marefo amin’ny andiam-balala.
Miora Raharisolo
