Talata Volonondry : Nanohana ny fikambanana nampiofana ny vehivavy ny ben’ny tanàna
Ny faran’ny herinandro teo no nanatontosan’ny fikambanana Miotisoa ny fampiofanana amin’ny fanamboarana mofo mamy, ho an’ireo vehivavy tao amin’ny kaominina Talata Volonondry. Tahaka ireo teny kaominina hafa efa nanaovana ny hetsika, dia fahombiazana hatrany izany, raha ny voalaza.
« Maro tokoa ireo vehivavy mpiofana raha teto amin’ity kaominina ity. Ary tao anatin’izany ihany koa, anisan’ny nanohana ny hetsika ary nanampy tamin’ny fanomanana sy ny fanatanterahana izany ny ben’ny tanàna teto an-toerana, izay hisaorana azy lehibe » hoy ireo avy amin’ny fikambanana.
« Zava-dehibe ny fanatanterahana ny hetsika tahaka izao satria tena manampy ny mpiara-belona, indrindra indrindra ny fanosehana sy fanampiana ireo vehivavy. Hirariana mba hitohy amin’ny sehatra hafa fa tsy eo amin’ny fanamboarana mofo ihany izany » hoy i Hanta, mponina ao Talata Volonondry.
Anisan’ny sehatra mahaliana ny vehivavy tokoa ny fanamboara mofobsy ny lakozia ary fotoana fanararaotra ho azy ireo, hangalana fahaizana sy hampitoboana traikefa ny hetsika tahaka izao. Mbola mitohy hatrany moa ity fampiofanana atolotry ny fikambanana Miotisoa ity.
Manitra R.
