Fampianarana ambony: Hisy taranja vaovao mahakasika ny “intelligence artificielle”
Efa tsy azo ihodivirana intsony ny fivoaran’ny teknolojia amin’izao fotoana izao. Efa maro ireo asa hamorain’ny fisian’io sehatra irey io. Tsy amabakan’izany anefa I Madagasikara fa efa maharaka ary tsy amintsy manaraka izany fivoarana lehibe izany. Araka izany dia hampiditra ny taranja “intelligence artificielle et expertise” ny sampam-piofanana Informatika na ny Ecole Nationale d’Informatique ao Fianarantsoa manomboka amin’io taom-pianarana vaovao io.
“Tsy manana olana amin’ity fanapahan-kevitrta ity ny sekoly satria efa hary ny fitaovana ho ampiasaina amin’izany. Hotanterahina ity programa ity hamaliana ireo filàn’ny olona eto an-toerana sy ny fivoarana manerana izao tontolo izao. Hisy ny tohana ara-bolan’ny Banky Iraisam-pirenena hahafahana manatanteraka ity tetik’asa ity. Vonona hanampy izy ireo miaraka amin’ireo mùpisehatra hafa noho ny fahitana fa efa tara I Madagasikara mihoatra amin’ny firenena hafa”, hopy ny Tompon’andraikitry ny ENI
Anisan’ny tafiditra oa anatin’ny fankalazana ny faha-40 taonan’ny sekoly ny fampidirana ireny fampiofanana vaovao ireny. Sekoly namoaka manam-pahaizana tsy tambo isaina amin’ny tontolon’ny Informatika ity sekoly ity ka rariny raha amin’ny fomba manetriketrika sy miavaka amin’ny fiofanana no hankalazana izany.
“Tsy mijanona mivoatra ny teknolojia. Raha tsy nisy ny ENI anefa tsy tafita ary tsy nahay nikaroka hampivoarana ny tena toy izao. Amin’izao fotoana izao efa hampiditra ny Intelligende artificielle indray. Tena zava-dehibe izany ary tena ilaina ny fanarahana ny fivoaran’ny teknolojia”, hoy i Eric, mpianatra nivoaka tao amin’ny ENI.
Tsy ny mpianatra informatika irery ihany no tokony hanaraka ny fivoaran’ny teknolojia. Mila mahay manararaotra sy mikaroka izany avokoa ny rehetra. Tsara ny nentim-paharazana kanefa aza hadinoina fa mahasoa ihany koa ny fivoarana.
Miora Raharisolo
