Kalanoro Project : Ho amin’ny fampandrosoana ny eny ifotony
Tetik’asan’ny Ecovision Village, ho fampandrosoana ny eny ifotony amin’ny sehatry ny tontolo iainana, ny « Kalanoro ». Any amin’iny faritra atsinanan’ny Nosy iny no hiasan’ity tetik’asa ity. Ity faritra ity izay manankarena zava-maniry tsy hita raha tsy eto Madagasikara ary manana ny heriny avokoa. Kalanoro no natao anaran’ity toerana ity noho ny finoan’ny Betsimisaraka izany fanahy izany ho mpiaro ny ala sady mpanome aina ny zavamaniry.
« Efa mahatratra hatramin’ny 1 000 ha ity site kalanoro ity ankehitriny, ary efa ny 350 ha amin’izany no ahitana zava-maniry miisa 250 miaraka amin’ny biby marobe toy ny lémuriens ihany koa, izay mila mpiaro sy mpikarakara » hoy ny avy ao amin’ny Ecovision Village. « Miteraka asa ho anay ny fisian’izao tetik’asa izao satria maro ny asa voaforona tamin’ny alalany. Mampiditra vola ho anay izany ka miakatra kely ny fari-piainana » hoy indrindra kosa ny mpisitraka ny tetik’asa.
Anisan’ny hetsika iray ahafahana manatratra ny tanjona amin’ny fampandrosoana lovainjafy ity tetik’asan’ny Ecovision village ity, izay atomboka amin’ny vondron’olona ifotony, mba hampananana andraikitra ny tsirairay amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara.
Miora Raharisolo
