ActualitésTatitra

Géorgie : Nona Gaprindashvili, vehivavy voalohany « Grand maître international »

Mpilalao « jeu d’échecs » tao amin’ny URSS sy Géorgie i Nona Terentievna Gaprindashvili. Teraka ny 3 may 1941 tao Zougdidi, Géorgie izy. Sangany teo amin’io taranja io i Nona Gaprindashvili. Efa tompondaka iraisam-pirenen’izany ny tenany ny taona 1962 sy 1975. Izy ihany koa no vehivavy voalohany nahazo ny anaram-boninahitra « Grand maître international » (titre mixte) tamin’ny taona 1978.

Tamin’ny taona 1961, teo amin’ny 20 taonany i Nona Gaprindashvili no nandresy tamin’ny « tournoi des candidates » ka afaka niatrika ny fiadianany ho tompondaka eran-tany voalohany manoloana ilay mpilalao avy ao Russie Elisabeth Bykova. Nivoaka mpandresy tamin’izany i Nona Gaprindashvili (+7 -0=4).

Nanaotontosan’ny Netflix sarimihetsika ny tantarany, izay mitondra ny lohateny hoe « Glory to the Queen ».

Laisser un commentaire