ActualitésTsidika

Androhibe :  Nanolotra fanampiana ho an’ny sekoly ny Ben’ny tanàna

Ny fianarana no lova tsara indrindra. Io teny io no entin’ny Ray aman-dreny Malagasy hankaherezana ny zanany amin’ny fianarana. Misedra olana anefa ny ankamaroan’ny  Ray aman-dreny amin’izao amin’ny fampianarana ny zanany. Ka izany indrindra no nahatonga ny Ben’ny Tanàna nitondra fanampiana ho an’ireo mpianatra hanala fanadinana CEPE sy BEPC amin’ity taona ity. « Izany dia hanampy ireo Ray aman-drenin’ny mpianatra amin’ny fahasahiranana momba ny vola alohan’izy ireo mahakasika izany. » arakan’ny voalazan’ny Ben’ny Tanàna ao an-toerana.

Tsy vitan’izay ihany anefa nitondra teny feno fampanantenana  ho an’ny mpianatra ihany koa izy. Mba hampisy ny finiavana ho an’ny mpianatra tsirairay dia misy tanjona napetraka.. Noho izany nanambara ny ben’ny Tanana fa izay mpianatra mendrika afaka fanadinana CEPE sy BEPC amin’ity taona ity dia hahazo fanomezana manokana avy aminy. Ny hampazoto ny ankizy no tanjona amin’izany . Miteraka fanentanana ho an’ny mpianatra ny hetsika toy izao ka manosika azy hanohy tsara ny fianarany.

Ny kaominina tsirairay dia samy samy manana mpianatra mahay avokoa fa saingy kosa mandalo fahasahiranana ny mpianatra sasany. Ilaina noho izany ny fifanampiana toy izao mba hamelombelona hatrany ny finiavana hananan’ny mpianatra. Tsy ho ara-bola ihany fa ilaina koa ny fanomezana toro-hevitra ho an’ny ankizy tsirairay mba ahafahan’izy ireo mivelatra sy hirona ary hilofo  kokoa amin’ny  fianarana.

Erwan RAN

Laisser un commentaire