Atsimondrano Champion’s League : Efa misokatra ny fisoratanana anarana
Maro ny tanora izay manana talenta amin’ny filalaovana baolina kitra raha ho an’ny Distrika Atsimondrano. Manampy ny tanora hitaiza vatana sy hanana toe-tsaina tsara ny fanaovana fanantanjahantena. Misokatra araka izany ny fisortana anarana ho an’ny ekipa izay te hanadray anjara amin’ity fifaninana ity.« Raha tamin’ny andiany voalohany dia fahombiazana tanteraka no azo. Ny andiany faharao dia ezahana atao mihotra noho ny teo aloha satria ny zavatra nahafinaritra dia nahatafavoaka sahady ny hetsika izay natao izay lasa « Division 1 ». Ka eto aho dia miantso ny mpilalao baolina kitra rehetra manerana ny Distrika ny Atsimondrano mba handray anjara satria dia eo amin’ny 80 eo ny isan’ny ekipa raisina hifaninana. Ka manantena fa hahafinaritra ny lalao ». hoy Andry Ratsivahiny , Solombavambahoaka Atsimondrano.
Zava-dehibe eo anivon’ny Distrika ny fanisiana izao « tournoi » izao. Entina hampiroborobo sy hampiakatra ny ambom-pon’ny tanora ny hetsika toy izao. Etsy ankilany mamorona fialamboly ho an’ny mponina ihany koa izany. « Zaran-tsika ary misy olona mikarakara ahafahana milalao eny amin’ny kaominina tsirairay avy eny . Tsy ho voasakana ny klioba rehetra. Ny « Pro league » miisa 16 no mandray anjara. Izany ho mpilalao 480 ihany manerana ny Madagasikara no hita amin’ny fifaninana lehibe. Izany hoe tsy misy ahita mihitsy zany ireo mpilalao eto amin-tsika ireo. Izaho zao tamin’ny lalao farany teo dia nahita mpilalao maromaro ary tokony tafavoaka ho lasa mpilalao avo lenta. Ny lalao ohatra izao no ahafahana mijery ny fahaiza-manao ny tanora tsirairay. » , hoy i Henintsoa Rakotoarimanana, Filohan’ny « Orange Pro League ».
Manentana ny tanora mpakanfy baolina kitra mba hanoratra anarana amin’izao fifanina izao fa tombony maro lehibe no azo. Tolo-tanana hanampiana ny tanora mba tsy hivoly ami’ny lalana ratsy ny hetsika toy izao. Marihina moa fa lela vola mitentina 10 000 000 ariary ny amboara ho azo amin’ity taom-pilalalaovana ity. Tsy ny fahazoana an’io anefa no tena manan-danja fa ny filalaovana ny fandraisana anjara, indrindra fa ny fitaizana vatana sy famolavolana ny toe-tsaina mba hahay hiaraka amin’ny olona maro ao anatin’ny fifaliana eny na hatramin’ny faheresena aza.
Erwan RAN
