ActualitésTsidika

Fanamboarana kopia faobe tany amin’ny Faritra Amoron’i Mania

Mitohy hatrany ny ezaka ataon’ny avy ao amin’ny Minisiteran’ny mponina sy ny fitsarana manoloana izao iray volan’ny ankizy izao. Tsara ny ezaka ary efa henoko aza fa faritra maro no nanaovana ny tetik’asa hanampiana ny zaza, tonga tay aminay indray izy izao hoy ny mponina iray avy any Amoron’i Mania.

Nanatanteraka hetsika fanamboarana kopia faobe maimaimpoana ny fitaleavam-paritry ny Minisiteran’ny Mponina sy ny Minisiteran’ny Fitsarana ny 23 Jona lasa teo. 150 ny ankizy nisitraka izany manerana ny Faritra Amoron’i Mania amin’izao fanombohany izao fa mbola ho avy ny andiany manaraka hoy ny solontenan’ny avy ao amin’ny Ministera. Araka ny fanamby napetraky ny Minisitry ny Mponina Michelle Bavy Angelica dia ho atao manerana ny Nosy ny kopia faobe ka isitraka izany ny ankizy Malagasy izay mbola tsy nahazo.

Zava-dehibe tokoa ny fananana kopia satria mametraka ny Mahamalagasy sy olom-pirenena ny zaza iray. Fotoana ny fandaloavn’ny Minisitera tahaka izao hanararaotana ny fanaovana izany ho an’izay mbola tsy nahavita.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire