Ambohimanambola : Nasiam-panamboarana ny lava-drano sy ny tambohon’ny tobim-pahasalamana
Nitondra fanamboarana ny toerana fakan’ny mponina rano sy ny tamboho ao amin’ny tobim-pahasalamana, ao amin’ny fokontany Ampahimanga, ny avy amin’ny kaominina Ambohimanambola.
« Anisan’ny ezaka ataon’ny kaominina hatrany ny manao ny asa fanarenena sy izay azo atao rehetra ho fampivoarana ny tanàna. Tafiditra ao anatin’izany indrindra izao fanamboarana ny servisy fanorenana sy foto-drafitr’asa izao » hoy ny avy amin’ireo tomponandraikitra.
« Hisaorana ny kaominina mijery ireo fahasimbana ka mitondra fanatsarana izany. Anisan’ny zava-dehibe ho an’ny mponina izany. Ny eo amin’ny lafin’ny fanentanana ny mponina amin’ny fahaizana mikolokolo ihany koa dia zava-dehibe ary tokony tsy atao ambanin-javatra » hoy i Lalao, mponina ao Ambohimanambola.
Maro ireo asa fampandrosoana mbola andrasan’ny mponina ao amin’ity kaominina ity. Anisan’ny mampitaraina azy ireo indrindra ny faharatsian’ny lalana.
