SocialTatitra

Philippines : Zazakely iray avotra soa aman-tsara, 60ora taorian’ny fihotsahan-tany

Zazavavikely iray tokony ho telo taona eo, no hitan’ireo mpamonjy voina, nandritra ny fikarohana ireo olona voatototry ny tany, noho ny fihotsahan-tany niseho tany amin’ilay toerana fitrandrahana vato any Masara, Philippines, ny herinandro lasa teo. Tsy nampiasa fitaovana ireo mpamonjy voina ireo fa tanana sy angady no nentina nikarohana ireo olona tavela tany ambany tany, mba ahitana ireo olona mety mbola velona tavela tao. Nanome fanantenana ho an’ireo mpamonjy voina ny fahitana ity zazakely ity, satria raha ny tokony ho izy, kely ny fanantenana ahavelona ny zaza voatototry ny tany mihoatra amin’ny olon-dehibe iray. Raha tsiahivina, nahatratra 15 ireo namoy ny ainy vokatr’ity fihotsahan-tany ity ary 31 ireo naratra. Mbola mitohy hatrany anefa ny fikarohana ireo olona tsy hita ao anatin’izany.

Laisser un commentaire