ActualitésTatitra

La Réunion : Hanomboka ny 8 septambra ny tsenabe « Lokal »

Ny tsenabe « Lokal » dia hetsika natokana ho an’ny famokarana indostrialy, fambolena sy asa tanana ary ny toekarena boribory ao amin’ny nous La Réunion. Hotontosaina ny 8, 9 ary 10 septambra izao ny ao amin’ny foibe fampirantiana Nordev ao Saint-Denis ny andiany voalohany amin’izany.

Tanjon’io foara ny fanomezan-danja ny vokatra vokarina ao an-toerana ary ny fampihenana ny fiankinan’i La Réunion amin’ny fanafarana ary hampiroboroboana ny « circuits courts ». Manoloana izany dia hisy ny fihaonana amin’ireo matihanina izay manome lanja ny sehatry ny famokarana eo an-toerana ary hanasongadina ny fomba fiasa eo amin’izany sehatra izany izy ireo.

Hizara valo kosa ny fampirantiana mandritra ny hetsika, hisy ny sehatry ny fanodinana ; fanorenana ; asa tanana ; fonosana (emballage) ; famokarana indostrialy, angovo ; famobolena sy sakafo ary fanjifana (biens de consommation).

Laisser un commentaire