ActualitésSocialTsidika

Ambohimalaza: 07 mianadahy tratra nitazona, nifoka ary nivarotra zava-mahadomelina

Tanora 07 mianadahy no voasambotry ny zandary avy ao amin’ny brigady Ambohimalaza, nanomboka ny alin’ny alahady 20 aogositra teo. Voalaza ho nitazona, nivarotra ary nifoka zava-mahadomelina, irony antsoina hoe rongony irony, izy ireo ka nanaovana fanadihadiana.

“Lehilahy iray 24 taona nampiahiahy no nosavaina nandritra ny fisafoana nataon’ny zandary amin’ny alina ka nahatrarana fonosona rongony milanja 25 grama. Ity farany no nanondro avy hatrany ny toerana fividianany ny rongony, eny Antanifotsy, fokontany Ambohipeno Ambohimanambola” hoy ny avy amin’ny zandarimaria.

“Rehefa notohizana ny fanadihadiana, dia tratra teny an-tanim-bomanga, tanaty bidon mavo ny ny fonosana rongony miisa 78 ka ny 62 fonosana kely ilay amidy amin’ny vidiny 500 Ar/1 ary ny 16 fonosana lehibe 2.000 Ar/1. Tao anatina lava-pako ny potiny sy voan-drongony nifono sachet. Tao anaty lavaka ambodin’ny trano ny tavoahangy fampirimana ny vola vidin-drongony. Ny ody ampiasan’izy ireo ihany koa» hoy hatrany ny fanazavana.

Mitotaly 1kilao sy 270 grama moa ny rongony tratran’ny zandary tao anatin’ity tranga ity. Miandahy miambavy ny fandraisana zava-mahadomelina eo amin’ny tanora amin’izao fotoana izao, ary tsy mifidy taona. Ao anatin’izany, manentana ny fandraisan’andraikitry ny tsirairay ny zandary mba sahy hitoroka raha misy ny tranga mampiahiahy eny amin’ny fiaraha-monina eny indrindra ny resaka zava-mahadomelina sy ny tanora ity.

Manitra R.

Laisser un commentaire