SportTsidika

Barea : Voahilika tanteraka i Lova Ramisamanana

« Tsy ny fitiavan-tenan’ny olona vitsivitsy no hanakana ahy tsy hanampy ny baolina kitra Malagasy mba hiverina ho reharehan’ny tanindrazako ». Izany no teny nasetrin’i Lova Ramisamanana nanoloana ny fanilihana natao taminy. Raha tsiahivina dia isan’ireo nanampy be dia be ny Barea izy nandritra iny fahombiazana tamin’ny CAN 2019 notontosaina tany Egypte iny. Ankehitriny anefa, nahiliky ny Filohan’ny FMF sy ny Federasiôna indray izy rehefa nantsoin’ny mpanazatra sady Tale Teknika Nasiônaly Barea. Kanefa tsotra ny tanjon’i Lova, dia ny mba hahomby amin’ny fifanintsanana Coupe du Monde 2022 sy ny CAN 2023 izay hatrehana tsy ho ela ny ekipa malagasy. Ny 17 aprily lasa teo manko no niantsoan’i Nicolas Dupuis azy ho isan’ireo « Staff » ao amin’ny Barea, izy rahateo no filohan’ny Klioba Jet Kintana sady filohan’ny fikambanana Alefa Barea. Nanaiky ny antso natao taminy izy ary efa niasa sahady izay mahasoa ny ekipam-pirenena aza. Izao anefa no setriny, inona no tena tanjona ? Tsy nanaiky azy tokoa ny FMF sy ny Federasiona, ary nambaran’izy ireo aza fa ny Filohan’ny Federasiôna Arizaka Raoul sy ny mpitantana ny federasiôna no afaka manapakevitra farany momba ny ekipam-pirenena Barea. Raha mahasoa ny Ekipa kosa ve ny fisiany, inona no olana ? Resaka ambadika ve ? Satria tokoa mantsy isan’ireo mpifaninana ho fidiana ho filohan’ny FMF tamin’ity Filohan’ny Federasina  voafidy ity, Arizaka Raoul, izy. Aoka tsy tahaka izany no hitondrana ny ekipam-pirenena, ny fitiavan-tanindrazana no aoka hiseho ka avela any ambadika ny raharaha hafa.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire