ActualitésTsidika

Ambohimangakely: Efa nanomboka nihatra ny fampiakarana saran-dalana

Nihatra nanomboka ny talata 21 martsa teo ny fampiakarana ny saran-dalana hatramin’ny 1000 ariary ao amin’ny zotra E, mampitohy an’Ambohimangakely amin’ny renivohitra sy ny manodidina. Fandaminana vaovao napetrak’ireo tomponandraikitra moa ity fampiakarana ny saran-dalana ity, raha ny voalaza.

 » Mila mifampitsinjo ny mpitatitra sy ny vahoaka, indrindra amin’izao fotoana sarotra izao. Raha jerena ihany koa lavitra ny lalan’ny zotra ka heverina ho rariny ihany raha nasiana izao fampiakarana saran-dalana izao » hoy i Onja, mpamily.

 » Fanatsarana ny kalitaon’ny asa sy ny fanajana ny zon’ny mpanjifa no andrasana amin’ireo mpitatitra ireo. Zava-poana ihany raha ampiakarina ny saran-dalana kanefa ny tsy fanarahan-dalàna sy ny fanivanana mpandeha mbola eo foana » hoy i Zoly mpampiasa ny zotra.

Marihina moa, fa ho an’ny zotra E mampitohy an’Andravoahangy-Ambodivoara Ambohimangakely  sy Ambodivoara-Fasika dia 600 ariary, ny mampitohy an’Andravoahangy-Fasika kosa dia 1000 ariary. Toa izay ihany ireo zotra E misy ny takelaka B, Andravoahangy-Jovena-Bam dia 600ariary ary ny mampitohy Andravoahangy-BAM kosa no 1000ariary.

Manitra R.

Laisser un commentaire