Fiadidiana ny Repoblika: Tapitra ny fepotoana niasan’ireo mpikambana ao amin’ny HCDDED
Dépêche 23 mars, 14h, Mifarana anio ny fe-potoana niasan’ireo mpikambana ao anatin’ny Haut Conseil pour la Défense de la Démocratie et de l’Etat de Droit (HCDDED). Araka ny lalana IF izay mipetraka dia maharitra dimy taona izany fe-potoana fiasan’izy ireo izany. Ny 23 martsa 2018 no nanendrena ireo mpikambana izany ka araka izany dia anio 23 martsa 2023 no feno dimy io fotoana niasana io ka tsy maintsy mifarana araka ny lalàna manankery.
