Morafenobe : Zaza tsy ampy taona roa voatifitry ny mpanafika
27 Desambra, 09h42. Zazalahy tsy ampy taona miisa roa, 12 sy 14 taona, no maratra mafy, voatifitra teo amin’ny kibony sy ny tànany any amin’ny Kaominina Andramy, distrikan’i Morafenobe. Vokatry ny fanafihana nitranga ny sabotsy tamin’ny 10 ora alina teo izany izay tao amin’ny tranony ihany. Olona dimy no voalaza fa nanao ny fanafihana, ary basim-borona no nampiasain’ireo tsy mataho-tody. Tsy nangalatra omby kosa nefa ireo mpanafika ireo ka heverina fa valifaty no anton’io fanafihana io.
