France : Feno 20 ny karatra mena azon’i Sergio Ramos
Mitana ny « record » amin’ny fandroahana ny kianja nandritra ny lalao lehibe i Sergio Ramos. Nandritra ny fe-potoana faharoa izy vao nilalao nandritra ny lalao taos Moustoir, saingy teo amin’ny faha efatra minitra nilalaovany dia efa nahazo fampitandremana roa izy. Navoakan’ny mpitsara tamin’io fotoana io ny karatra mena faha roapolon’i Sergio Ramos, hatramin’ny asa naha mpilalao mantianina azy ny taona 2003. 19 no karatra mena azony tamin’ny Liga ary iray tamin’ny Ligue 1.ILay mpilalao efa misotro ronono Cyril Rool ihany koa dia efa 27 karatra mena teo alohany raha 46 famoahana ny kianja no azon’ilay Colombien Gerardo Alberto Bedoya Múnera izay mbola tsy nisy nihoatra hatreto.
