ActualitésTatitra

Seychelles : Brendon Grimshaw, tompon’ny nosy Moyenne

Novidin’ny anglisy iray antsoina Brendon Grimshaw tamin’ny vidiny 13 000 dollars ny nosy foana iray antsoina hoe nosy Moyenne tao Seychelles. Teo amin’ny faha-40 taonany izy no nandao ny asany ary nanomboka fiainana vaovao tao amin’io nosy io.

Tsy mbola nisy nametraka tongotra teo amin’io nosin’i Brendon Grimshaw io talohan’ny nahatongavany teo amin’izany. Nahita namana tamin’ireo teratanin’i Seychelles nantsoina hoe Lafortin izy, niara-nikarakara io nosy io taminy.

Nandalo ihany nefa i Lafortin tao amin’ny nosy raha tena nisafidy ny hitoetra ao mandrakizay i Brendon Grimshaw. Tao anatin’ny 39 taona dia novolean’izy roa lahy hazo miisa 16 000 io nosy io ary nanamboarany lalan-kely manodidina ny 5 kilometatra.

Rehefa maty i Lafortin tamin’ny taona 2007 dia mbola nanohy ny fikarakarany ny nosy i Brendon. 81 taona ny tenany amin’izao ary nahavita nanitona karazam-borona vaovao 2 000 isa sy nitondra karazan-tsokatra lehibe an-jatony tao amin’ny nosy izy. Manoloana izany dia voafaritra valan-javaboahary ny toerana nanomboka ny taona 2008.

Raha nosy foana ny nosy Moyenne talohan’ny nahatongavan’i Brendon Grimshaw dia mampiantrano ny roa ampahatelon’ny biby ao Seychelles izy amin’izao fotoana.

Laisser un commentaire