ActualitésTsidika

Sakalavan’Ankarana : Dihy mampiavaka ny foko ny « Trotrobe »

Manana karazana fomba amam-panao tsy hita pesipesenina i Madagasikara. Anisan’izany ny Trotrobe izay dihin’ny Sakalavan’Ankarana manafangaro ny antsa sy tsinjaka. Olon-droa na efatra, lehilahy sy vehivavy no miara-mitsinjaka amin’izany ary tehaka no atao solon’ny mozika. Manao kitamby kosa ny lehilahy rehefa mandihy azy, manao salovana ny vehivavy ary atao talin-tsakalava ny volo.

Hasina Rasamimanana

Laisser un commentaire