ActualitésTatitra

France : Voaheloka higadra 2 taona ilay mpamily nanadino an’i Méddy tao amin’ny fiara fitaterana mpianatra

Nohelohina higadra 2 taona an-tranomaizina sazy mihantona sy handoha lamandy 102 000 euros ny alatsinainy teo ilay mpamily nanadino an’ilay zazalahy roa taona tao amin’ny fiara fitaterana mpianatra nentiny.

Tamin’ny 3 oktobra 2018 no niseho io tranga io. Adinon’ilay mpamily mpamory fiara fitaterana mpianatra tao anaty fiara i Méddy, zazalahy 2 taona ka namoy ny ainy. Raha ny fizahana natao tamin’ny razan’ny zaza dia matin’ny tsy fahampian-drano izy. Manoloana ny tranga dia nosamborina noho ny famonoana olona tsy nahy ilay mpamily.

Voasazy mandeha lamandy 150 000 euros ihany koa ny orinasa Martinique Transporté izay nampiasa io mpamily io.

Laisser un commentaire