ActualitésTsidika

Ambohimalaza : Nahazo ny anjarany avokoa ireo zokiolona amin’izao tonon-taona izao

Nisy ny fandehanana teny ifotony, nataon’ny avy ao amin’ny kaominina Ambohimalaza, teny amin’ireo fokontany ao an-toerana tamin’ny faran’ny herinandro teo. Nanatitra solom-body akoho ho an’ireo zokiolona teny an-toerana no natao nandritra izany.

“Ho fiarahabana ny fahatratrarana ny taona vaovao dia zokiolona miisa 600 no notolorana solom-body akoho, nandritra ny fidinana ifotona nataon’ny ben’ny tanàna sy ireo mpiara-miasa aminy. Ho fanajana sy fiarahabana azy ireo nahatratra izao taom-baovao izao no nanatanterahana izany teny amin’ny fokontany” hoy ny tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.

“Niara-nisalahy tamin’ny fanomezana tolotra ho an’ny zokiolona izao moa ny kaomandin’ny tobim- paritra Ambohimalaza vaovao. Izy izay vao roa volana nahatongavana sy niasana teto amin’ny faritra kanefa efa maro ireo vokatra tsara hita teo amin’ny lafin’ny fandriam-pahalemana” hoy hatrany ny avy amin’ny kaominina.

 Anisan’ny nahazo fankasitrahana manokana avy amin’ireo zokiolona tao an-toerana moa ity kaomandin’ny brigadin’Ambohimalaza ity nandritra izao fandehanana teny ifotony izao. Nanamarika moa ny avy amin’ny kaominina fa tapitra tamin’ny 11 janoary 2023 teo ny fitetezana ireo fokontany tato anatin’ny kaominina nizarana ireo fanampiana ho an’ny zokiolona ireo.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire