ActualitésTatitra

Etats-Unis : Lehilahy iray nandrasarasa sy nanapa-doha ny vadiny tao Texas

Nisehoana tranga nampihoron-koditra tao amin’ny comté de Waller, tao Texas ny 11 janoary teo. Lehilahy indray 21 taona monja antsoina hoe Jared Dicus no nitsatok’antsy im-betsaka ny vadiny Anggy Diaz, 21 taona. Norasarasainy ny vatan’io vadiny io taorian’izany ary notapahany ny lohany.

Iray tamboho tamin’ny ray aman-dreniny ireo mpivady tanora ireo. Ny rain’i Dicus, tsy nahita natetika an’izy mivady intsony no nampandrehy ny manam-pahefana. Rehefa tonga tao an-toerana ireto farany dia rindrina feno rà no novantanin’izy ireo. Nosamborina avy hatrany i Jared Dicus ary 500 000 dollars ny sandan’ny fahazoany fahafahana vonjimaika.

Marihana fa vao ny volana oktobra 2022 teo no nivady i Jared Dicus sy Anggy Diaz. Tsy mbola fantatra hatreto ny nitarika io famonoana olona tamin’ny fomba feo habibiana io.

Laisser un commentaire