ActualitésTsidika

Ambohimanambola : Jiolahy mpamaky trano miisa roa saron’ny zandary

Jiolahy mpamaky trano miisa roa no saron’ny zandary avy ao amin’ny poste avancé Ambohimanambola, brigadin’Ambohimalaza, tamin’ny faran’ny herinandro teo. Tao amin’ny fokontany Ambohibato, kaominina Ambohimanambola no nahatratrarana azy ireo, araka ny voalaza.

“Nandritra ny fisafoana natao teny amin’ny fokontany ny alin’ny 11 janoary hifoha 12 janoary, lasa teo no nahatratran’ny avy eto amin’ny mpitandro filaminana ireto jiolahy ireto. Mbola tratra teny amin’izy ireo avokoa ireo entana izay nangalarany ary natoron’izy ireo ihany koa ny trano nanaovany ny asa ratsiny” hoy ireo mpitandro ny filaminana.

“Efa nampikaikaika ny maro ny tsy fandriam-pahalemana tato ho ato tety an-toerana sy ny manodidina. Mila manohy ny ezaka hatrany ireo mpitandro ny filaminana satria maro ireo olon-dratsy no mbola mirihariha eny” hoy I Annah, mponina ao Ambohimanambola.

Nalaza ratsy ny resaka tsy fandriam-pahalemana tato ho ato tao amin’ny kaominina Ambohimanambola ary miseho amin’ny endriny maro izany. Ilaina hatrany ny fiaraha-mientana ao anatin’izany, indrindra ny fampitam-baovao amin’ireo mpitandro filaminana mba hahafahana manenjika sy manatratra ireo mpanao ratsy.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire