Ekonomia : Miady ho amin’ny tombontsoan’ny mpiasa ny Ministera.
Hatramin’izay dia toa ambanin-javatra hatrany ny tombontsoan’ny mpiasa manoloana ireo mpampiasa izay miseho amin’ny fomba samihafa. Anisan’ny vaindohan-draharaha ho an’ny Ministeran’ny Asa,ny Fampananan’asa, ny Asampanjakana ary ny Lalàna Sosialy ny fijerena manokana ny herisetra eny anivon’ny toeram-piasana eny. Nidina ifotony teny amina toeram-piasana eto andrenivohitra ny tompon’andraikitra avy amin’ity Ministera ity nanombohana izany asa izany. Nazavain’izy ireo tamin’izany ny maha-zava-dehibe ny ady amin’ny herisetra mety hitranga eny amin’ny toeram-piasana
« Maro ireo hetsika hatao amin’ity taona ity hahafahana manatratra ilay tanjona izay napetraky ny Filoham-pirenena tamin’ny velirano faha-enina dia ny mahakasika ilay asa mendrika ho an’ny olona maro. Hojerena akaiky ireo fepetra mahakasika ny asa, ny aro loza ho an’ny mpiasa, ny fahasalamana sy ny fiahiana ara-piarahamonina », hoy ,ny tompon’andraikitra avy ao amin’ny Ministera tamin’ny lahateny fanombohana ny asa ho an’ity Ministera ity.
Natomboka tamin’ny alalalan’ny fampahafantarana ny fifanarahana iraisam-pirenena momba ny asa laharana faha-190. Ity farany izay manome lanja ny ady amin’ny herisetra eny anivon’ny toeram-piasana izay mety hiseho amin’ny endrika samihafa. Mety ho herisetra ara-nofo na ihany koa herisetra ara-tsaina izany, ary mety hiafara ihany koa amin’ny fanararaotana ara-nofo indrindra ho an’ny mpiasa vehivavy. « Raha jerena eny anivon’ny orinasa izany dia hita fa miteraka voka-dratsy na ho an’ny mpiasa na ho an’ny mpampiasa, ohatra amin’izany ny fihenan’ny famokarana eo amin’ny sehatr’asa iray hanjakan’ny herisetra. Vahaolana volaohany azo atao amin’izany dia ny fifampiresahana eo amin’ny mpiasa sy ny mpampiasa na eo amin’ny samy mpiasa», hoy hatrany ny fanazavana.
« Amiko aloha ny vahaolana raha misy izany herisetra izany dia miala satria manahirana ny miady amin’ny lehibe sy ny fisehon’ny fitsarana eto Madagasikara. Mbola ady mafy izany fifampiresahana izany satria toa tsy mahazo rariny foana », hoy i Niry, mpiasa amin’ny orinasa lehibe iray.
Ankoatra izany rehetra izany dia raha misy ny tranga na herisetra amin’ny orinasa dia tokony fantarina sy hadihadiana lalina ny antony hahafahana miala sahady amin’izany. Hiitatra eny anivon’ny Faritra fito (7) hafa ity asa ataon’ny Ministera ity, dia ny Faritra SAVA, Anosy, Boeny, Vakinankaratra, Matsiatra Ambony, Menabe ary Atsimo-Atsinanana. Hamafisina ihany koa ny lalàna mahakasika ny fampiasa ankizy tsy ampy taona.
Miora Raharisolo
