ActualitésTsidika

Sabotsy Namehana : 12 mianadahy notoloran’ny kaominina mari-pankasitrahana

Nandritra ny andro fankalazana ny 08 martsa, tao amin’ny kaominina Sabotsy Namehana, dia nisy ihany koa ny fanolorana mari-pankasitrahana ho an’ireo olona nahavita be tao amin’ny kaominina. Miisa 12 mianadahy izy ireo no notoloran’ny ben’ny tanàna izany tao an-toerana, araka ny voalaza.

« Miisa 12 mianadahy ireo olona nahavita be ho an’ny kaominina notolorana ny mari-pankasitrahana, hita maso, teto nandritra ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny vehivavy. Amin’izy ireo dia ny nisy ny mpandraharaha, birao mpanatanteraka, mpanolotsainan’ny kaominina ary ray amandreny am-panahy » hoy ny tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.

«  Hery manohana ireo tomponandraikitra hanao ny asa araka ny tokony ho izy ary mandrisika ny fampandrosoana ny fanomezana fankasirahana tahaka izao. Ary hisaorana ny tomponandraiky ny kaominina tsy nanao ambanin-javatra azy ireo » hoy ireo mpandraharaha ao an-toerana.

Anisan’ny efa fanaon’ny avy ao amin’ny kaominina moa ny fanolorana mari-pankasitrahana tahaka izao ho an’ireo mendrika sy sahaza tolorana izany ao an-toerana. Zava-dehibe ihany koa izao mba hanaovan’ny hafa ezaka amin’ny fanatanterahana asa ho tsara kokoa hatrany.

Manitra R.

Laisser un commentaire