ActualitésTsidika

 Minisiteran’ny asa vaventy : Miezaka manamboatra ireo lalana simba

            Nanomboka ny Alatsinainy 13 Martsa 2023 teo , nisy ny fanamboarana ny lalana potika. Voakasik’izany ny lalam-pirenena faha-63 (RN 63) mampitohy ny « rond-point RN 7 Ankadimbahoaka sy ny  « rond-point Boulevard de Tokyo Ankadievo (Station Shell) ». Lalana izay hita fa tena potika tokoa ary izao amboarina izao. Nanao fanambarana arak’ izany ny sekretera jeneraly ny ministeran’ny asa vaventy fa hisy ny fatapahana-dalana : « Hisokatra ny lalana mampitohy ny « rond-point Boulevard Tokyo Ankadievo hatreo amin’ny sampanan’ny orinasa « Sitma » mandeha any Androndra, isan’andro manomboka amin’ny 06 ora maraina ka hatramin’ny 10ora maraina. Hiverina ho tapaka tanteraka manomboka amin’ny 10 ora maraina hatramin’ny 06 ora hariva. Ho tapaka tanteraka ny lalana manomboka eo amin’ny « rond-point RN 7 Ankadimbahoaka hatrany amin’ny orinasa « Sitma ». Ny fivilian-dalana   hampiasain’ireo mpampiasa lalana dia mandalo any Androndra ka mivoaka eo amin’ny « station Jovena Androndrakely », hoy i SAMBISOLO Emile Joseph, Injeniera amin’ny asa vaventy, Sekretera Jeneraly ny ministera.

Nankasitraka ny fandraisana andraikitran’ny ministera ireo mpampiasa iny lalana iny. Efa betsaka ny fitarainana ataon’ny mpamily mikasika ny faharatsian’ny lalana. Miteraka fitohanan’ny fiara ny fahapotehana mahazo ny lalana. « Tsara be ny fandraisana andraikitran’ny ministera manoloana izao fanamboarana izao.Hita fa tena ratsy dia ratsy tokoa ity lalana ity. Potika ny sasany , ahitana lavadavaka izay manimba ny fiara. Lany  fotoana ety an-dalana ka miteraka fantiantoka ho anay mpamily.  Anisan’ny hanamora ny asanay , ity fanamboarana ity ka mankasitraka ny minisitera mijery akaiky ny fahavoazavana toy izao. » hoy i Tahina, mpamily taxibe.

Erwan RAN

Laisser un commentaire