Actualités

Fatiolona hita tany Nosy Be Hell Ville.

Miseho amin’ny endriny samihafa ny tsy fahandriam-pahalemana eto amintsika. Ary ny tena mampalahelo aza dia misy ain’olona latsaka mihitsy mandritra izany. Lehilahy iray izao no hita faty anio talata 16 febroary tao Ambatoloaka –Nosy Be Hell Ville. Mbola tsy fantatra mazava ny antony nahafaty ity lehilahy ity ary ihany koa izay mety ho havany. Fa ny fantatra dia i Mananjara Flavien no anarany feno satria hita teny aminy ny kara-panondrony, 31 taona izy raha teraka ny 23 Jolay 1989 tao Nosy Be Hell Ville. Betsaka ny tranga toy izao izay tena mila hanamafisina ny fandriam-pahalemana eto Madagasikara na dia efa miezaka aza ireo tompon’andraikitra voalohany amin’izany.  

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire