Politique

Ny fandaharana “miara-manonja” sy ny filaminam-bahoaka.

Efa betsaka ireo fihetsika ataon’ny fitondrana hanoherana ny fandaharana miara-manonja. Ary ambara ombieny ombieny fa manohitohina ny filaminam-bahoaka izany. Natsahatra ny fampitana ny MBS tamin’ireo tambajotra satelita telo, niezahana nosakanana ilay fitsangatsanganana nokarakarain’izy ireo tamin’ny 6 febroary teo, nampanantsoana i Andrianjato Vonison izay mpanentana ao amin’ny fandaharana. Ary izao indray dia nampanantsoana i Guy Maxime Ralaiseheno, isan’ireo mpanentana ny miara-manonja ihany koa. Nanambara ny avy ao amin’ny Sampana fikarohana heloka be vava ao Fiadanana fa nanely vaovao manohitohina ny filaminam-bahoaka izy ary mety hitarika amin’ny fankahalana ny mpitondra izany. Tsy nanohina ny antso anefa izy voaantso ity ka mbola tsy hay izay ho tohiny. Tsy fahazakana kihana ve sa tena misy fiatraikany amin’ny filaminam-bahoaka tokoa no miseho ?


Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire