Mpitsabo Mpanampy : Mbola tsy nahita vahaolana.
Fotoana vitsy lasa izay, nitaraina ho “marary” ny eo amin’ny sehatry ny “Syndicat des infirmiers et des sages femmes de Madagascar” na ny SISFM. Maro ny fitakiana izay mbola tsy novalian’ny minisitera mpiahy azy hatramin’izao. Nanatanteraka fitokonana faobe izy ireo ny herin’andro lasa teo. Izy ireto raha tsiahivina, anisan’ny nifampikasoka betsaka tamin’ny marary nandritran’ny fotoana nampamaivay ny valan’aretina coronavirus. Ato anatin’ny herinandro faharoa izao, manao antso avo amin’ny fitondram-panjakana izy ireo mba hijerena manokana izao fangatahany izao. Hiato tsy hiasa ato anatin’ny 72 ora izy ireo araka ny fanapaha-keviny. Milaza ny hiakatra ambonimbony kokoa izy ireo arak’izany rehefa tsy misy mamaly amin’ny fitakiana izay hataony. Mila azy ireny anefa ny eny amin’ny ivo-toeram-pitsaboana samihafa. Vahaolana ny fijerena marimaritra iraisana mba ho fampandrosoana ny eny amin’ny tontolon’ny fahasalamana.
Fanilo Rarivoarilala
