ActualitésTsidika

GEW Avaradrano : Hisy fotoana hizarana traik’efa sy fiofanana maimaim-poana ho an’ny tanora te ho mpandraharaha

Ambara mazana fa zava-dehibe ho an’ny fiainam-pirenena ny fampananan’asa ny tanora, ho fanarenana ny teo-karena. Maniry tokoa anefa ireo tanora ny mba te hanangana orinasa ho an’ny tenany manokana, saingy tsy ampy ny traik’efa sy ny fahaiza-manao hananganan-javatra.

« Mila manana fahalalana amin’ilay sehatra tiana hananganana orinasa ny mpandraharaha iray fa tsy afaka ny hiasa amin’ny sehatra tsy fantatra akory toy ny hoe ianao te hamboly kanefa tsy mahay mamboly, tsy maintsy ilaina noho izany ny fampiofanana na fizarana fahaizana » hoy i Pierrot, raim-pianakaviana mpampiofana eo amin’ny sehatrin’ny fandraharahana. « Mbola tsy ampy ny sehatra fanomezana traikefa ny tanora eto amintsika kanefa ny sehatry ny fandraharahana dia tsy natokana ho an’ny olona nandalo fianarana ihany akory fa natao indrindra ho an’ny olon-drehetra » hoy i Alice, tanora te ho lasa mpandraharaha.

« Zakan’ny olon-drehetrra ny fiofanana momba ny fandraharahana ka tokony omena sehatra eto amin’ny firenena » hoy i Faly, mpampianatra no mpandraharaha. Ilaina tokoa ny fanomezana fiofanana indrindra ny tanora ny momba ny fandraharahana mba hialana amin’ny tsy fisian’ny asa izay sakana ho an’ny fampandrosoana eto amin’ny firenena. Fotoana iray indrindra hnomezana sehatra ireo tanora maniry ho lasa mpandraharaha ny « Global Entrepreneurship Week » (GEW) Avaradrano izay ho atao any Ambohimangakely ny 8 hatramin’ny 14 Novambra izao.

Natao ho an’ny rehetra io fotoana io, ary tsy misy vola aloha akory fa ny hampandroso ny firenena no tanjona ka zaraina maimaim-poana ireo fiofanana sy hetsika maro mandritra izany.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire