Fandaharam-pibeazana vaovao : Ho averina ao anaty fandaharam-pianarana indray ny Fanabeazana ho olom-pirenena
Nanao fanambarana teny amin’ny birao fiasany teny Andohalo i Rakotovololona Helikanto Tsimandefitra, tale misahana ny fandaharam-pibeazana sy ny fikarohana ara-pedagojika “fa ho ampiharina manomboka amin’ity taom-pianarana iraika amby roapolo sy roa arivo sy roa amby roapolo sy roa arivo ity ireo fandaharam-pibeazana vaovao, izay ahitana ireo taranja toy ny haikanto, ny fiseraserana eo amin’ny sehatra teknolojika (TIC-E), ny siansa ara-toekarena sy sosialy (SES), ary ny fanabeazana ho olom-pirenena vanona.
Tsy mitsahatra mitady hevitra amin’ny fanatsarana ny kalitaom-pampianarana ireo tompon’andraikitra rehetra misahana ny tontolon’ny fanabeazana eto Madagasikara mba ahatonga ireo zaza Malagasy tsy ho latsa-danja ny any amin’ny firenena sasany. Ankoatran’ny fanabeazana ho olom-pirenena vanona izay naroson’izy ireo, misy ihany koa ireo taranja ho amin’ny fampandrosoana. Ny kilasy voalohany ka hatramin’ny kilasy famaranana no hisitraka izao fandaharam-pibeazana vaovao izao, sekoly miisa enina ambin’ny folo sy roanjato miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana ao anatin’ny Fari-piadidiam-pampianarana valo ambin’ny folo no hisantatra voalohany ity fandaharam-pibeazana izay ahitana ireto taranja vaovao ireto. « Ny tanjona dia ny mba ahatonga ireo zaza Malagasy ahafehy ny haitao rehetra ary indrindra ny famerenana ny fahalalam-pomba amin’ny ireo zaza Malagasy ireo » raha ny fanampi-panazavana.
« Mila jerena akaiky mihitsy ny fampianarana eto Madagasikara, indrindra ny eo amin’ny fandaharam-pianarana. Misy ireo lesona andaniana andro kanefa tsy ilaina amin’ny tena fiainana, toy ny fianarana momban’ny valala, ny atody, ny trondro sy ny maro hafa. Marina fa tsara fantarina izy ireny kanefa tsy tokony atao laharam-pahamehana. Raha oharina amin’ny firenena hafa isika dia azo lazaina ho taraiky satria ny amin’ny firenena sasany, ny zaza roa ambin’ny folo taona efa mahaforona fitaovana teknolojika, kanefa eto amintsika raha amin’izany taona izany mbola variana mianatra tsianjery ny anarana rehetra mandrafitra ny vatan’ny valala. Atao laharam-pahamehana ao anatin’ny fampianarana ny sehatra afahan’ny zaza mamorona sy mikarokaroka, amin’izay fotoana izay tsy ho sarotra aminy intsony ny hiditra eo amin’ny tontolo ny asa matihanina. Azo anombohana azy tsara ireo taranja haikanto, Tic ary SES ireo » hoy ny talen’ny orinasa mpandraharaha iray.
« Ilaina tokoa ny famerenana ny Fanabeazana ho olom-pirenena, tsy misy fanajana intsony ny ankizy ankehitriny. Misy aza ireo tsy mahalala ny hasin’ny hiram-pirenena Malagasy sy ny dikan’ny sainam-pirenena Malagasy. Tsy fantatry ny ankizy sy ny tanora intsony ny hoe inona no atao hoe olom-pirenena vanona satria tsy misy mampianatra. Tena tsara ary afaka velarina tsikelikely amin’ny sehatra hafa io fandaharana natolotr’i Rakotovololona Helikanto io. Afaka hampivelatra ny zaza Malagasy » hoy kosa i Larissa, mpampianatra amin’ny sekoly ambaratonga fototra.
Raha ny hita eo amin’ny tontolon’ny fanatsarana ny fampianarana, azo lazaina ho mandroso sy mirindra raha ny tokony ho izy ny fanatanterahana ny velirano fahaefatra izay napetrakin’ny Filoha izay mahakasika mivantana ny fanatsarana ny kalitaon’ny fanabeazana eto Madagasikara. Na izany aza, tokony hisy hatrany ny fampiofanana ireo mpanabe izay hampita itony fandaharana vaovao itony ary ihany koa mila ampanarahina amin’izay ny fitaovana arifomba afahana mianatra izany. Raha toy izao ny ezaka, azo inoana ny ananan’ny Madagasikara olom-pirenena vanona sy manam-pahaizana rehefa ao aoriana kely ao.
Tsangy Randriamampianina
