ActualitésTsidika

Anjeva : Nisy ny fizarana masomboly vary an-tanety

Tonga tao amin’ny fokontany Imaola,vohitra Atsimombohitra ireo tomponandraikitra mpitantana ny kaominina Anjeva tamin’ity herinandro ity. Nizara masomboly vary an-tanety ho an’ny tantsaha tao an-toerana, araka ny voalaza.

« tantsaha vitsivitsy no notsongaina hanaovana ny andrana sy fanaraha-maso amin’ity fizarana masomboly vary an-tanety ity. Raha hita fa mety ny andrana dia ho aparitaka amin’ny mpamboly hafa izay liana amin’izany » hoy ny mpitantana ny kaominina.

« Zava-dehibe amin’ny tantsaha tokoa ny fanampiana sy fanohanana eo amin’ny resaka famokarana ary tena mila fanohanana izy ireo na eo amin’ny lafin’ny ara-pitaovana na ny akora entina mamokatra. Anisan’ny fanoitra lehibe entina mampandroso ny tantsaha ny fanomezana azy toro tahaka izao » hoy i Daniel, mpianatra amin’ny ambaratonga ambony.

Raha tiana hisy tokoa ny fampandrosoana, dia ny fanohanana sy fanampiana ireo tantsaha no tokony atao laharam-pahamehana. Ao anatin’izany, ilaina ny mihaino ny hetahetan’ireo tantsaha ary mamaly ny fangatahana araka ny filàny avy.

Laisser un commentaire