PolitiqueTatitra

Mayotte : Nanao sakana ho fanoherana ny fifindra-monina sy ny tsy fandriam-pahalemana ireo vondron’olom-pirenena

Nametraka sakan-dalana ireo vondron’olom-pirenena any Mayotte hatramin’ny alatsinainy teo hiadiana amin’ny tsy fandriam-pahalemana any an-toerana sy ny fifindra-monina. Ny 27 janoary, nanao fanambarana ny préfet Thierry Suquet momba ny fahalalahan’ny fivezivezena ao Mayotte, rehefa nisy sakan-dalana tao anatin’ny herinandro teo. Tsy nampilamina ny vahoaka tany an-toerana izany, ka nohamafisin’ireo vondron’olon-tsotra izany fanakanan-dalana izany, hatramin’ny alatsinainy teo. ankoatra izany, olana maro samihafa ihany koa no mianjady amin’ireo vahoaka.

Laisser un commentaire